tsiaro (RAKOTONDRANARY Mampionona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An-tany lavitra, toa singan'olona irery.
Te hitomany, matahotra ny ho very.
Asa, ianareo ve mba mahatsiaro?
Aza adino re aho sao mimalo.

Tsy misy hitarainana ny fahorina manjo.
Halavitra anareo!toa hamoy fo?!!
Ny volana balika no fanantenana,
Milaza mitsiky mitondra hafanana.

Aza tomany, toneo ny saina
Ny sento toneo, hajanony hatreo.
Tadidio, tsy omaly na vao anikeo
f'efa hatrizay izireo nampiseho

fitiavana nomeny tsy ankanavaka
Nomen'izy ireo anao ilay saraka
Ny nofo, ny tava angamba no tsy mihaona,
fo kosa mitempo fitiavana foana
--------
Rohy:
1641 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTONDRANARY Mampionona
Nampiditra : Poun
Daty : 25/06/2007 07:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103