Hendre tsara re ianao (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovovavy kanto ianao
Ry malala tena tiako
Koa ny tenanao hajao
Fa efa ela no niriko

Mitondra ho amin’ny fahasimbana
Ireo ditra sy hadalàna
Ny toetra ratsy mba hialao
Hendre tsara re ianao

Fitiavana no antony
Ny fananarako anao
Miovà fara-tampony
Hendre tsara re ianao

Ianao no tiko ho vadiko
Hatrizay ka hatramin’izao
Ho fanefako ny adidiko
Hendre tsara re ianao

Raha sanatria tsy anjara
Izao fitiavatsika izao
Mba ho tsara ilay tantara
Hendre tsara re ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1270 12
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144