You are here: home > Vetso

Ilay bika aman'endrikao - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

o Toy ny voninkazo vao maraina
o Ilay bika aman’endrikao
o Manokatra ny fo sy ny saina
o Koa tiako ho hita foana izao  

o Mibaliaka toa masoandro
o Izay mitaram-pahazavana
o Koa tiako ho hita isan’andro
o Fa manome hafanana

o Endrey tsara tarehy ianao ry malala
o Tsara nohon’ny vehivavy rehetra
o Ny masonao toa voromailala
o Anilanao  tsy mampanjoretra

o Matory aho, mahatsiaro anao foana ny foko
o Ny fitsikinao misintona ny masoko
o Ireo momba anao  tsy misy hadinoiko
o Koa ny handao anao tsy ho sahiko

o Ny molotrao miteny
o Mandrotsirotsy ahy
o Ireny fihetsikao ireny
o Mamelombelona fanahy

o Fahasambarana no azo
o Raha ny eo anilanao
o Toa raozy izay tsy halazo
o Ilay bika aman’endrikao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha