Iza no ho Fidiko (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Itako avokoa na ny fohy na ny lava
 Na tamin’ny andro maizina na ny mazava
 Maro tamin’izy ireo no niriko
 Koa iza amin’izy ireny ary no ho safidiko ?

 Betsaka ireo no sendra mifanena
 Na ny ety an-tanàna izany na koa ny eny an-tsena
 Tsy lany ny isany ka tahaka ny votry
 Koa iza no ho fidiko , ny mainty sa ny fotsy ?

 Ao ny tsara loko, ao koa ny sadasada
 Ao ny tsy ampy taona matahotra an’i dada
 Tao ny tsotsotra, tao koa ny manan-danja
 Koa iza no ho fidiko, ny ratsy sa ny manja ?

 Misy sarokenatra, ao koa ny sahisahy
 Ny gasy kolotsaina, sy ireo te ho vazah
 Misy ireo mihaja , tao koa ny malotoloto
 Koa iza no ho fidiko, ny mahay sa ny donto ?

 Ny endrika aloha azo lazaina hoe :misy
 Na sarin-karana izany na ny metisy
 Koa iza no heverinao ho mety sy ho sahaza
 Ilay efa zokinjokiny sa ilay tena mbola zaza ?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1050 10
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149