Mifamatotra (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Zava-miafina aminao ny momba ahy
 Nefa nitia ahy ianao tsy mba nanahy
 Misitery tamiko ny mombanao
 Saingy efa resy aho, resinao

 Izany ve no atao hoe Fitiavana ?
 Koa izaho sy ianao no nanao finiavana
 Niezaka nitambatra ho tena iray
 Sa kosa efa anjara nomen’ilay Ray ?

 Nitohy ny fitiavana ,fitia no nitaiza
 Koa tsapako anaty ilay tena sakaiza
 Dia ianao irery ihany tsy nisy nahasolo
 Ny fitiavako rehetra efa anao manontolo

 Nanontany anao aho, hiteny sy hilaza
 Ireo momba anao izay tiako hazava
 Tohina mafy ny foko no nalahelo
 Raha notsorinao ahy ilay tsiambaratelo

 Nampitombo ny fitiavako anao anefa izany
 Koa ny senton’ny foko mbola ianao irery ihany
 Tsapako sahady fa tandrify ahy
 Ilay olon-tiana izay tsara fanahy

 Resinao tanteraka ny fitiavako
 Asa raha mba tsapanao izany rahavako
 Izany no mahatonga ahy hatramin’izao
 Tsy mitsahatra foana mananatra anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1128 13
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157