Ny Fitiavako anao (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Ny Fitiavako anao izay tsy ho voavidy
 Koa na iza na iza, tsy afaka handidy
 Ny Fitiavako anao dia tsy mety ho faty
 Fa efa miraikitra ato anaty

 Ny Fitiavako anao dia voafehy
 Ao anatin'ny Akany tsara tarehy
 Ka na zovy na zovy hamoha ny fatorana
 Ilay Fitiavako anao dia tsy hatahorana

 Ny Fitiavako anao dia tsy mety hafindra
 Satria ilay fitia tena lehibe indrindra
 Koa na iza na iza hanao herisetra
 Ny Fitiavako anao dia tsy hanam-petra

 Ny Fitiavako anao izay novolena
 Tao anatin’ny Fo, lonaka mamoa
 Koa na totototoina na hosihosena
 Dia hitsimoka ihany na tena efa voa

 Mety hisy ny mpanao ankaso
 Koa handatsa-dranomaso
 Ary koa ny hiteny lava
 Fa ny Fitiavako anao dia tsy mba ho rava

Ny Fitiavako anao tsy sanatria mandalo
 Tsy Marim-pototra maha- be fahavalo
 Tsy ilay fitia sary na hoe : Maikamaika
 F’ilay fitia tena mahery vaika

 Ny Fitiavako anao dia efa vatofantsika
 Mitoetra ao anaty ka tsy ho voafandrika
 Koa na amam-polony na aman-jatony no manenjika an’izy io
 Dia tsy hahafoana mihintsy ilay fitiavako Madio

Ny Fitiavako anao dia hahanjary
Ary eo an-tanan’ilay Mpahary
Ny Fitiavako anao dia iray
Izay maharitra mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2699 17
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015