You are here: home > Vetso

Resinao aho - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà


 Manao azafady aminao
 Raha manoratra izao
 Ary aza dia henti-po
 Fa  tonia tsara aloha

 Noho ilay fitia izay mibaiko
 Ho fitiavako anao
 Izay mibahana tsy aiko
 Fa mitoetra hatramin’izao

 Tena resinao ny foko
 Koa isan’andro aho mitoloko
 Maniry ny hiaona aminao foana
 Koa matetika aho lasa mivaona

 Efa lasanao daholo
 Ny fitiavako rehetra
 Fitia tsy ho voasolo
 No sady tsy mba manam-petra

 Tena resy resy resy aho
 Hoy ny fitiavako izay mitalao
 Tena babo babo babo aho
 Hoy ny foko izay tena tia anao

 Mbola tsy tsapanao ihany ve ?
 Ilay fitiavako izay tsy voafehy
 Tena  mitalao sy mivalo
 Fa ianao re tsy atakalo

 Ry malala a !!
 Sanatria raha hiala !
 Fa miandry foana aki aho
 Na ovina satria resinao !

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha