Resinao aho (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Manao azafady aminao
 Raha manoratra izao
 Ary aza dia entim-po
 Fa tonia tsara aloha

 Noho ilay fitia izay mibaiko
 Ho fitiavako anao
 Izay mibahana tsy haiko
 Fa mitoetra hatramin’izao

 Tena resinao ny foko
 Koa isan’andro aho mitoloko
 Maniry ny hihaona aminao foana
 Koa matetika aho lasa mivaona

 Efa lasanao daholo
 Ny fitiavako rehetra
 Fitia tsy ho voasolo
 No sady tsy mba manam-petra

 Tena resy, resy, resy aho
 Hoy ny fitiavako izay mitalaho
 Tena babo, babo, babo aho
 Hoy ny foko izay tena tia anao

 Mbola tsy tsapanao ihany ve ?
 Ilay fitiavako izay tsy voafehy
 Tena mitalaho sy mivalo
 Fa ianao re tsy atakalo

 Ry malala a !!
 Sanatria raha hiala !
 Fa miandry foana akia aho
 Na oviana satria resinao !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1761 15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138