You are here: home > Vetso

Tsy Anjara - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

 Noho ny baikon’ny Fitia
 Izay tsy azo lavina satria
 Mangirifiry ato anaty
 Koa ahiana hahafaty

 Tsy natao hiray ve isika
 Toy ny fitiavan’ny mpivahiny
 Koa nanjary nangatsiaka
 Ilay Fitiavana fahiny

 Ny fifaliako fotsiny rahavako
 Dia tena izy ilay fitiavako
 Izay efa nafoiko ho anao
 Koa nataonao kilalao

 Tsy mampaninona ahy izany
 Raha hetraketrakin’ny tany
 Inona moa no azoko atao ?
 Ianao tia ary  efa lao

 Mba hamintinako izay
 Dia misy teny kely iray
 Hadinoy ilay tantara
 Fa ny antsika roa tsy anjara

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha