LAZARISTE (Ramahatehotia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZARISTA

Môpera lesy ialahy!
Ilay mpiara-mihosom-bovoka tamin’ny tataviankena
Ilay mpampiesona mpivarotra fony teny an-tsena
Ilay mpangala-tahaka fony tany am-pianarana
Ilay fatra-pitsikilo amin’ny hidim-baravarana

Môpera leitsy
ialahy! Ilay fatra-pilomano ny tontolon-jazavavy
Ilay faingafaingan-tanana amin’ny manga sy goavy
Ilay tia laingalainga amin’ny olona ao am-bovo
Ilay mpitsena sipakely tery Ambohijatovo

Môpera leitsy i
alahy! Ilay mpitondra sary mihanjaka tao an-dakilasy
Ilay manadala olona amin’ny sombin-taratasy
Ilay nisotrosotro kely teny an-tsefaky ny bota
Taloha tokoa izany…Mivavaha ho anay mpanota

MOPERA VINCENT!

29 Jona 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1017 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramahatehotia
Nampiditra : Ramahatehotia
Daty : 27/11/2014 15:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152