Ny tenindrazana (Ramakavelo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy taona vitsivitsy
Tany an-dafy no nipetraka
Ka niezaka nanitsy
Sy nanarina ny potraka

Izany tenindrazana iky
Toa navela mba hianjera
Noheverina ho diky
Halaviro, tsy jerena.

Fa izay nomena lanja
Sy noheverina ho tsara
Dia lazaina fa taranja
Tsy azo avela, sao tara.

Tena hoe mba voninahitra
Ny tsy miteny malagasy
Tena misy ny finaritra
Aok'izany, kasikasy.

Dia lasa ny fisainana
Amin'ireny toetra ireny
Manao ahoana ny fiainana
Moa ho tia ny fireneny ?

Ny tanora Malagasy
Tsy mahay ny tenin-drazana
Raha toa mifindra lasy
Moa ho gaga ireo havana ?

Inona no hamatotra azy
Amin'itony fireneny ?
Sanatria tsy hoe ny sazy
Fa kosa hono ny fiteny.

Izany tenindrazanao
Tsy atakalo ny an'ny hafa
Mahalaza izay atao
Amin'ny dinika sy tafa.

( faha 16 desambra 1989 )
in Mba saino ange, boky 1
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
3203 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramakavelo
Nampiditra : booboo
Daty : 19/05/2004 12:51
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103