You are here: home > Vetso

Adimpiainana - RAMANANTSOA Ricardo

ADIMPIAINANA


Ry fiainana an-tany be setrasetra
Toa  zary fisaonana ny andro rehetra
Izay  natao mba ho tsara fiafara
Nefa inadrisy fa toa rakopanala
Toa ela fiposaka ilay fahazavana
Fa haizina foana no mba hombana
Ny lalankaleha toa tery dia tery
Ny vatana anefa toa tsy ampy hery
Ny fo toa mazoto ny saina hikiry
Izay zava-bita anefa tsy misy firy
Ka voatery ny tena indraindray
Hisotro toaka na hirevy divay
Na dia fantatra aza fa tsy vahaolana izany
Tsy mahagaga anefa fa fombany ihany
Ny fiainana mihintsy no matonga hisotro
Fa sady manosika no mirotoroto
Mipepipepy mitady izay hoanina
Matetika mihintsy no manova planina
Ka mivalaketraka avy eo kranina
Fara hery misotro mba ho fanimpanina



RAMANANTSOA   RICARDO

Sokajy : Ady, Fahantrana, fiainana

Hevitra mandeha

vetsoko (13/12/2004 20:15:19)

aza mandainga fa mpanoratra kay ianao,sa tsy soratra io ?

mifau (16/02/2010 11:51:02)

d ts maints misotr kos v?At tss lé av@fitiavana raràn'ol ren v d lasa mpivad ian@faran e?De Mifau.

Hametraka hevitra

Midira aloha