NY ANDROM-PAHAZAZAKO (RAMANANTSOA Ricardo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mialoalo mitamberina
Irony androm-pahazazana
Tena tiako raha miverina
Fa andro tsara mahatamana
Toa mitsingerina ao an-tsaina
Irony andro tena soa
Ilay afaliana vao maraina
Raha vao indro fa mifoha
Tamin'izany fotoana izany
Dia kilalao no tena asa
Ka ny afaliana sy ny mamy
No ahatsiarovana ny lasa
Andro kanto mahafinaritra
Izany androm-pahazazana
Ka niriko mba haharitra
Indrisy anefa fa tsy tana
Toa niserana nandalo
Ilay androm-pahasambarana
Nitondra tsiky sy ny kalo
Nantenaina tsy hifarana
Nefa indrisy vetivety
Toy ny zavatra najifa
Dia nidify sy niletsy
Ka fahatsiarovana no sisa
Ka raha azoko natao
Ny namihina nitazona
Dia notazomiko tsy handao
Irony androm-pahazazana
--------
Rohy:
2317 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardo
Daty : 27/08/2005 18:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098