LAKANA NY AINA (RAMANATANTARA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAKANA NY AINA

RY 2008, MIARAHABA ANAO NY LAKANAY !


Lakana ny aina
Mandalo vetivety,
Miserana ihany !
***
Lasana iny taona iny
Nisy mamy, mangidy
Tsy foy : teo Ianao,
Ianao ry neny !
***
Tsy adino ny anatrao,
Ny fotoana niarahana.
Manantena foana
N’inon’inona midona !
***
Na onja, na varatra,
Mianjady avokoa !
Mizotra mandroso,
Miaina, mijoro !
***
Lasana ianao ry 2007,
I Neny nentinao,
Izahay tsy kamboty
I Neny ato am-po !
***
Ny lakanay nilaozana
Mandray anao ry 2008.
Fiadanan’ilay Nahary
Mitohy manarona,
Mitafy Fitiavana !
RAMANATANTARA, Massy, 10/01/08
--------
Rohy:
1517 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097