You are here: home > Vetso

AVI - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Raha ianao vahoaka mba ihany mahatsapa
hoe isika olombelona mba efa saika lasa
nandritra irony taona izay efa nitondrany
dia fidio izy ho lany mba hitondra izato tany
.
Mantsy efa samy teo nitondra
izy roa lahy izay hitanao ireo
dia jereo izay hitanao nanova
fahiny raha izy no nitondra teo
.
Raha izy hitanao tsy nandrava
dia aza asiana ilay resaka lava
fa fidio izy rehefa tonga ilay fotoana
mba hamerenany ilay fampandrosoana
.
Raha izy hitanao fa nanangana
dia sahia ianao mijoro mitsangana
mba hananganany indray
ireo efa rava sy may
.
Aza ianao minia mikipy
fa mba jereo aloha ny zava-nisy
nanao ahoana isika tamin'ny tetezamita
nihemotra ve sa tafita?
nanao ahoana isika tamin'ny andron-dRavalomanana
nanana ve sa tsy nanana?
.
Nanao ahoana isika tamin'ny andron-dRavalo
betsaka ve ny dahalo?
ary tamin'ny andron-drajoelinirina
nanao ahoana ny Remenabila
.
Koa mba tsy hisian'ny nenina
dia mahaiza isika vahoaka
fa na i Ravalo na i Rajoelina
dia samy efa teo nanapoaka

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha