You are here: home > Vetso

INY LALANA INY - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Iny lalana iny
marina tena marina
rariny jerena
raha kandranina
azo ivezivezena
.
Nefa iny lalana iny
raha tena alalinina
dia kely dia kely
toy irony "fil"
haino aman-jery
.
Iny lalana iny
hoy ny hendry
mandeha mivezivezy
hono aho adala
lazainy tsy mahalala
.
Aminy iny lalany iny
lehibe dia lehibe
toy ny tadina kofehy
no iheverany ny diniko
momba lalana majiniko

Sokajy : Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha