MBA FOMBA FOTSINY (SANTATRA RAFENOMANANTSOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba fomba fotsiny ilay hoe hanefa adidy
fa na hifidy isika na tsy hifidy
dia efa fantatra ilay olona hitondra
"tsy iza izany fa i Dada na i Foza"
.
Raha tena marina ilay voka-pifidianana
dia mety ingahy Marc Ravalomanana
no ho lasa filohan'ity gasikara
fa tsy i Rajoelina antoko mapara
.
Samy manana ny ambadikany izy telo lahy
na i dada na i Andry na Rajaomampianina
ny an-dRahery sy i Andry zao dia vazaha
ary ny an-dRavalo kosa dia amerikanina
.
Mba jereo sy diniho ange ny propagandy
f'efa manomboka nefa vao zao sahady
mbola tsy tonga akory ilay fanaovana azy
dia jereo sahady ny ataon-dry Andry
.
Rariny loatra izy telo raha mahazo olona
satria vola sy mpanakanto no enti-mitolona
vola adala tompo ny anao ry Frantsay
fa na izaho tsy ho izy aza ve tsy handray?
.
Mitovy daholo na i Andry na Ravalo na Rajao
satria samy mitety faritra dia samy manao
mangalatra "depart"fa matahotra tsy ho lany
dia mody hoe "IEM" no hitetezam-paritany
.
Hatramin'izay tsy hita izay zava-bita
fa efa akaiky ny fifidianana vao mody hita hita
mody manao lalana sy ny sisa sy ny sisa
mba hambaboana ny fon'ireo adrisa
.
Toy ny mpivarotra eny amoron-dalana
ry Hery sy Rajoelina ary Ravalomanana
rehefa tonga ny mpividy dia ny vava no amidy
mba hambaboana ny fon'ireo mpifidy
.
Ilay vahoaka mihitsy no efa voaozona
hifidy olona efa hita fa anapoizina
aleony maty misotro tangena
toy izay hanavotra ity firenena
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1182 0
Hevitra mandeha
DotMG ( 01/09/2018 08:12)
Ka ilay fotoana hanaovana propagandy mihitsy no tsy mety fa mamarina firenena any an-kady. Mila herintaona farafahakeliny ny fanatanterahana propagandy, toy ny any amin'ny tany efa mandroso.

Hividy fiarakodia ve ianao ohatra dia telopolo minitra ihany no omena anao hieritreretana hoe iza no tsara? Sahala amin'izay ny fifidianana eto rehefa ferana ho 15 andro ihany ny fampielezankevitra.
ramandrongony.anhabakabaka ( 28/11/2018 04:53)
Tena marina izany teneninao izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANTATRA RAFENOMANANTSOA
Nampiditra : ramandrongony.anhabakabaka
Daty : 29/08/2018 15:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099