You are here: home > Vetso

NY TOE-TSAINA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Ny toe-tsaina no mila amboarina
raha isika Gasy mba te ho tafarina
satria mila miainga avy amin'ny vahoaka
ny fampandrosoana raha te mba hivoatra
.
Raisiko ohatra ny resa-pahadiovana
eny amin'ny toerana izay ho lalovana
raha isika mahatsapa fa maloto ny lalana
dia isika no tokony mba handray an-tanana
.
Esory ny misy andraso andraso
raha miparitaka 'reo loto zay fako
samia isika mandray andraikitra daholo
ry Malagasy tsy vaky volo
.
Ilay toe-tsaina ee indrindra indrindra
raha ianao te anana fiaina-mirindra
dia ovay ovay ovay malaky
f'io no mampihemotra antsika Gasy
.
Atsipy ny tady any an-tandroky ny omby
atsipy ny teny any am-ponao mamaky io
raiso ny teniko raha toa ka mahomby
moa avereno aty raha tsy te ianao hadio

Sokajy : Fahatsiarovana

Hevitra mandeha

hery (05/12/2018 09:15:17)

Mba lava koa ny lohateny

ramandrongony.anhabakabaka (08/12/2018 13:42:09)

Efa nafohezina ka
misaotra anao

Hametraka hevitra

Midira aloha