You are here: home > Vetso

TANY NY LANITRA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Lanitra izao tany
itsahantsika izao
tany io lanitra
lolohavintsika io
isika izany izao
tototry ny tany
ny tany manototra
antsika olombelona
lani-janaka olona
any ambany: tany
efa nofo vaovao
zao nofontsika izao
ny nofontsika taloha
efa lasa nody vovoka
any ambonin'ny tany
ao ambanin'ny tany
ny nanao ny tsara
miakatra any an-tany
lanitr'Andriamanitra
ny nanao ny ratsy
miakatra any an-tany
afoben'ireo devoly
ny ety an-tany izany
toy ny any an-danitra
tsy misy fiafarany
ny lanitra sy tany
mby an-danitra ianao
misy tany vaovao
mby an-tany ianao
misy lanitra vaovao
tahaka izany foana
misy Andriamanitra
izay tany sy lanitra
miloloha sy lolohavina

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha