Namako izy izay (RAMAROVELO Mialiseheno Nantenaina na i KALAMY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
any ianao izay
any lavitra any
mety mahatsiaro ahy
aza adino izy izay

manirery aho izao
fa lasa ianao nandao
ity fitiavana vao niandoha
ka zary mamparary an-doha

tsy midika ho fisarahana
fa kosa fisitahana
tsy ekeko mhts ny hoe:
lavitry ny maso hono
lavitry ny fo e!

mba manina ahy ve ianao izao
za zao lasa misento, mitalaho
aza manadino ahy
any lavitra ahy

tsy foiko ianao, tsy ho atakaloko
ka manaja anao aho
matoky aho f'ilay fitia
mbola ao anatinao
--------
Rohy:
1624 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAROVELO Mialiseheno Nantenaina na i KALAMY
Nampiditra : kalamy
Daty : 25/02/2005 10:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131