Any ho any (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any misy
Fo iray tomany
Irery mitampify
Leo ny miaina an-tany
....
Fitia mifamaly
No mba nantenainy
Kanefa re nijaly
Izay no mba lazainy
....
Mitomany lava
Maloka ny endriny
Toa ireny tsy hisava
Ranomaso re no setriny
....
Toa tsy laitra ampanginina
Sy tsy mba hay alamina
Ity fo iray ambinina
Satria re dia manina
....
Any ho any izao
Misy fo iray misaona
Fa nilaozanao
Efa ho aman-taona
....
Fa ny fahanginana
No mba hany namany
Ka eo anjorom-pilaminana
No nasiany izay fananany
....
Tsy mba afaka ato an-tsaiko
Ilay endriny iny
Teny vitsy no mba haiko
Dia ilay "tiako ianao" fahiny
...
Asa mety ho aiza?
No mba hiafarany
Ity foko ry sakaiza
Sa halevina any ho any?
...
Misy fo misaona any!
Fa tsy tsaroanao
Tena ory aok'izany
Fa nilaozanao
....

Ndeha ivereno
Fa izy mbola tia
Ireo taloha no avereno
K'aza maniasia
....
Ireo taloha ataovy indray
Dia ireo tsara indrindra an-tany
Fa ao andrefan-tranonay
Anie ka korana sesi-lany
....
Andeha ivereno
Ka rotsio ho tony
Ny toy izao no mba teneno
Akaiky anao ny fony
Fetraniaina
09/01/16
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1969 1
Hevitra mandeha
ulquiorrafetraniaina ( 28/08/2015 05:44)
Anisan'ny tononkalom-pitiavana tiako indrindra noho ireo efa nosoratako ity ! Be ny nankafy azy ity tany @ seha-pifandraisana facebook !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014