Moa vanon-ko ho inona ? (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa vanon-ko ho inona?
Moa vanon-ko ho inona, ny lasa iroy nantenaina?
Ny tsiaro azy sesi-lany,mitamberina ao an-tsaina
Mamelombelon'aina toa rivotra niserana
Eh!!!......iny efa dify ilay hany nianteherana
Eny an-tendrombohitra eny, no anaovako fitazana
Mahita irony manan'aina,sy ny ala maitso mavana
Ao anatin'ilay ala,voninkazo tsara endrika
Noharian-janahary ka tsy mba mety rendrika
Toa tsy mba adino izany fahatsiarovana
Eny re tsy adino,ireo lasa nolalovana
Aiza ilay mba nampifaly,ary koa mpamelovelo
Ilay tokana notanako,no inty nizara telo
Toa maha-te hitoetra,ny tontolo lasa iroy
Satria mamy,tsara tsy mba foy
Ory ity ny foko,tsy mba hanambitamby
Tena marina izany fa tsy mba sangisangy
Endrey toa maharavo ny vazon'ny tontolo
Ireny biby manan'aina dia hita ao daholo
Ny tantely voron-kely sy ny voramnga koa
Hoy izy mampifaly : « mahita ny soa »
Fetraniaina
--------
Rohy:
839 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0622