''Niady'' (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niady tamin-kery ary tsy nisalasala
ireny razantsika ireny
Rotidrotiky ny balan'
ireo basy toa miteny
Dia nikiry tsy nanaiky ny ho resy
fa dia niady
Ireo tifitifitra nisesy
ary tena nampandady....
Nampigoka,nampisotro ny mangidy
tsy mba laitra
Fa naniry mba hividy
ny fanafan'ny takaitra :
Fanjanahana tsy miato
izay nataon'ireo vozongo
K'ireo mpianatra tsy tia nitora-bato
Ireo razanay nitolona dia mongo
''Nodarohina ny basy feno ratra
ka nandringa''
Tsy navela izy ireo fa didy jadona no nihatra
Izy anie voavingavinga
...
Ilay zò 'zay maha olona,tsy jineriny
ka simba
Ireo razako tsy faly noho izany bodongerony
Maty hitsaka sy simba
Maro ireny razanay tena sahy nidodododo
ka nitolona
Gasikara be mpibodo...
Niara-nientana ny olona
Dia niady foana hatrany
tsy nikimpy fa nihiratra
Nitaraina,nitomany
Nanantena ilay masoandro mba hamiratra
Voninkazo namboleny,antenainy mba hitsiry
izany tolo-pahafahana
Na hamoizany ny ainy,ary mampangirifiry
misy tiany ho rombahana
Ho fanilo tsy ho adino ilay adiny
niampita
Ka maro tamin'ireny havany sy vadiny
tsy hita
Fanilo iray tsy ho adinoina izany
tolony niampita
Satria dia niriany hatrany
i Gasikara ho tafita
29/03/17
Fetraniaina
--------
Rohy:
1025 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102