Ny fahasalamako (Ramiadanarivo fetraniaina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Marary aho tsy mba salama
Izay mba diavina he malama
Marary foana ny an-doha
Tsy mba toy ny teo aloha
-Moa mba misy antenaina?
Miasa mantsy izany saina !
Fa ny aretina mikiky ny aina
Manome ratsy ho zogaina
-He ny vatana farofy
Izaho angamba manonofy
Fa izay fahasitranana
Dia tsy ho tonga am-pelatanana
-Fa sambatra eh ! Izay tomady
Mivoky hatrany tsy mba fady
Fa ny tsy fahasalamako
Dia indro fa manakoako
-Mba misintaha ry aretina
Fa very anie izay mba nentina
Iriako ho lavitra ahy ianao
Mba hampety izay atao
-O ry aretina miala
Maneke aza manda
Mihemora fa tsy tanty
Izany herinao mihantsy
-Izaho ity anie mijaly
Kasihanao tsy mba mamaly
Fa mitony foana hatrany
Mandrapijanon'ny tomany
-Ry aretina tsy resy
Moa ianao mba mety lefy ?
Toa mamely izany tenako
Ny fisorohana tsy ferako !
-Eh ! Mba tolory fanafody
Toy ny vary na atody
Izany mantsy no mba tiako
Raha misy ny ambony tsy ariako
--------
Rohy:
1402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101