"Ny foko" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko hoe maninona
Ny foko tato ho ato
Tsy haiko hoe nahoana
No tsinindron'ny vato
.....
Fa raha izany foko
Tsy mendrika ho deraina
Fa tia miova loko
Ka mampiferin'aina
....
Raha iny mba nanorina
Dia rava fa narodana
Ny marina notsorina
No nahatorovana
.....
Aiza ianao ry tiana
Fa manina aho ange
K'ireny hafaliana
Hitombo be dia be
....
Fa misento lava
Toa olona misaona
Ny fiainako toa rava
F'izaho va ambahaona?
....
Sanatria amiko
Ny handao ny tany
Handao anao ry mamiko
Mijanona eto ihany
....
Alohan'ny hahavitako
Ny adidy izay tsy vita
Ry lalana nombako
Nanampy ahy hiampita
....
Izaho mila anao
O r'ilay amboarako
K'izao tononkalo izao
No voaloham-panamboarako
....
Izato fiainam-bao
Miaraka aminao
Avia arahabao
F'hitoetra am-ponao ao
....
Fetraniaina
15/01/16
--------
Rohy:
2390 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227