"Ny ho avy" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Asa hanahoana ny ho avy Rasena?
Fa dia maizim-pito ny androko omaly
Sy toa nanjakan'ny fanosihosena
Nantsoiko ny tsiaro fa tsy mba namaly
....
Asa hanahoana ny ho avy Rasena?
F'izaho nangarihan'ny vintako irony
Izay mba natao toa faneriterena
Ka zary mampisy ny fo tsy mitony
....
Asa hanahoana ny ho avy Rasena?
Fa toa miamboho izay mba jinery
Be no nanda ireo 'zay nomena
Manampy trotraka hatrany ny fery
....
Mikorontana foana fa tsy mba mirindra
Ireo mba nalamiko tany amin'ny lasa
Nitoetra ela fa tsy mba nafindra
Nampajary hatrany ny zava-boakasa
Fetraniaina
15/01/16
--------
Rohy:
1266 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153