"Ny lasa sy ny ho aviko" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manome toky aho ry ho aviko fa hiova tokoa
Aza omena tsiny raha toa ny nataoko tsy nety taminao
Aza omena tsiny raha toa aho namafy kanefa tsy namoa
Vonona aho hitsena anao am-pitiavana ry taona vaovao
....
K'ireo nokinasa tsy tanteraka ifonako eny izao
Ifonako raha toa nametraham-pahatokisana ka tsy nahafaly anao
Raha nasainao nitady ny soa ka sendra tsy nahita
Dia ifonako aminao izay nampitondraina tsy tody teny am-pita
....
Fantatro fa ianao no simba noho ny ataoko izao
Tsy nitsinjo sy ninia tsy nahalala anao
Ho jereko ireny lasa hanatsarako anao ry ho aviko
Ny lalana tokana hahatomombana ny momba anao
Dia ny misaina hatrany ny vokatry ny atao
....
Asa raha nahafaly anao ireo tsara izay mba vitako
Nasainao nizara mamy ho an'ireo izay mba hitako
Raha tsy hahatanteraka ny iraka hampanaovina
Dia ny tsara hany ananana no ndeha re havaozina
....
Mifona aho ry lasa raha toa tsy nahalamina
Tsy nahay namerina ny zavatra nindramina
Ho jineriko eny ianao ry lasa nolalovako
Niaro anao ry lasa,ka ny ho avy no harovako
...
Ny loharanom-pahalalana dia ny fahendrena
Ka manomboka izao dia ianao no ho jerena
Manomboka izao ny tsara no vimbinina
Hilofo hitana soa ka mba ho ambinina
Fetraniaina
29/12/15
09h 14
--------
Rohy:
1873 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147