"Ontsa" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahereza zandry
Fa na ory lava ianao
Dia ny mba ataovy andry
Re ny Tompo ambony ao
....
Hampahery anao hatrany
Hampitsaha-dranomaso
Hampitsahatra tomany
Hampitsahatra ny ankaso
....
Fa ianao ry zandry tiako
Mendrika ho tiavinay
Ary ny mba faniriako
Ianao mitoetra an-tranonay
....
Atsaharo ny tomany
O ry zandriko malala
'Zay tsy hanadino izany
Fa mijoro ho mahalala
....
Sy mahatsapa ihany koa
Izato fijalianao
Ka te hanolotra ny soa
Hahasambatra anao
....
Mendrika ho hajaina
Sy ho tiavina ianao
O ry zandry mitaraina
Mangata-poana lava izao
....
Ka mitonia ianao razandry
F'izahay hitsinjo anao
Ka ny sainay dia tsy mandry
Mihevitra isan'andro izao
....
Izay mba anjara ho avinao
Hanao ahoana ny fivoarany?
Izay rehetra tiavinao
Mba fantaro ny tantarany
....
O ry zandry matokia
F'a ianao dia ho tsimbiniko
Ho tolorako fitia
Manantona ho fihiniko
Fetraniaina
14/01/16
--------
Rohy:
1253 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118