''Pesta'' (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
''Pesta''
Tapim-bava izao no entina
Fa mirongatra ny aretina
Miparitaka tsy tàna
Ka mameno ny tanàna
...
Mihorohoro ny olo-maro
Be ny laza mifangaro
F'ilay loza mitatao Dia efa eto hono izy izao
...
Dia mivoraka ny gasy
Ao ireo mangasihasy
Sy miferin'aina mafy
Ary koa miafiafy
...
Izy foana no hiraina
Sy mamelona taraina
Mampivadi-po ny olona
'Zay toa maro no mitolona
...
Mba zahao ange lehiretsy
'Lay karazana hevi-petsy
Tampim-bava no malaza
Dia manao hatramin'ny zaza
...
Efa ho avy angaha 'lay orany?
F'ito aretina atahorany!
F'ireo malagasy ireo
Dia variana mitoreo
...
Te hitsoaka azy foana
Mila hiteny hatramin'ny moana
Te handositra azy mafy
Fa mijaly,miafiafy
...
Nodioviny ny taniny
S'ireo faritra sahaniny
Dia izay no hany takany
Hiarovana ny vatany
...
Dia fitaovana no entina
Rehefa tonga ilay aretina
Fa taloha tsy mba nisy
Ka mampalahelo,indrisy
...
Gaga anao ramalagasy
Zato ianao mangasihasy
'Zao vao mody manadio?
Fa hatrizay tsy nisy an'io
--------
Rohy:
1026 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136