"Tsiaro" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Miangavy ampio
Hivesatra ity
Enta-tsy zaka
Avia ampio
....
Avia ivazoy
Ry hany mijoro
Ry hany tsy foy
Ka tsy mba mikoro
....
Avia fehezo
Ny foko mitempo
Ka ampaherezo
Fa tena misento
....
Ampifalio
Ity foko tomany
K'ireny tadio
Mba esory any
....
Mikiry manangona
Ho tody eny am-pita
Izany no tanjona
Iriana ho vita
....
Mifoha ny tsiaro
Tsy hay ny atao
Fa be mifangaro
Ny asako izao
....
Ny tsiaro ny lasa
Dia mampihetsi-po
F'izay nokinasa
Dia foana tsy to
....
Ny tsiaro ny lasa
Dia tena manjaka
Ny hanohy ity asa
Mitady tsy ho zaka
....
Toa manalasala
Ny hanori-ponenana
Fa sao ho lasa adala
Ho to fanenenana
....
Ny saiko izato
Dia miasa lava
Ka tsy mba miato
Miloaka am-bava
....
Ny hoe : "mba vonjeo"
Fa manjaka ny ankaso
Ka izato feo
Toa feon-dranomaso
....
Mikoriana foana
Miraraka ihany
Toa olona moana
Tsy miteny izany
....
Fa mbola antenaiko
Ny andro hiverenany
Dia 'lay mamin'ny aiko
Izaho ho harenany
....
Fetraniaina
15/01/16
--------
Rohy:
1186 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147