"Voninkazo adala" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Voninkazo tena adala
Tsy mba mahay mitony
Nefa efa mahalala
Fa tsy tiana intsony
....
Ka misisika hatrany
Na dia efa laviny
Ratsy loatra an-tany
Tsy mendrika ny ho tiaviny
....
Voninkazo toa mitapy
Fa mbola mitia ihany
Matetika voajapy
Indro fa tomany
....
Asa raha misaina
Ity voninkazo ity
Fa mampiferin'aina
Nefa maro mpankafy
....
Atositosika eny
Fa miarina hatrany
Tsy avela mba hiteny
Ka mitroatra aok'izany
....
Efa nasolo hafa
Ilay toerany taloha
Ka ny resaka sy tafa
Dia indro fa mamoha
....
Vokatr'izany anie
Dia tomany izy ity
Tsy mba misy be dia be
Ity nitokana tery
....
Toa tsy tofoka mihitsy
Azera hatrany fa mijoro
Avily ary fa io mihitsy
Toa andry iray mijoro
....
Tsy azy intsony ilay mba tiany
Fa lasan'olon-kafa
Ao an-drindrina nasiany
Ilay sary tsy voafafa
....
Any an-kafa tsy hahita
Na hitady hitotototo
Na hivily na hiampita
Ity nadio indro.....naloto
....
Endrey maratra fo
Ity voninkazo adala
Ilay fitiavany tsy lo
Izay tsy mba manalasala
....
Amin'izao tsy misy dikany
Mirefarefa amin'ny tany
Asa ireny vintany
Raha mbola any ho any
....
Misaona ity voninkazo
Taloha namelan-dravina
Amin'izao efa malazo
Fa tsy mba notiavina
....
Saino hono ireo taloha
Fotoana mamy tsy adino
Izay tsy miala ao an-doha
Fa izao dia tsy mampino
....
Fa hoe foana ny amin'iny
Ianao efa nahita tsara
Ka 'lay toeranao fahiny
Va hiafara fa tantara?
....
Nahita akanga tsara soratra
Hanary akoho tamana an-trano
Tsy mampino toa fiafara
Tsy mampino toa angano
....
Tsy foiny ireny lasa
Fa mamy aok'izany
Ireo zavatra kinasa
Mitamberina eto ihany
....
Fetraniaina
10/010/16
--------
Rohy:
1619 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145