MALALA (RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aza mety ianao ry tiako,
hoe ho tototra ny lavaka efa ela nohadiako
na hivadika ny lakana hiampitan'ny faniriako
na ho solafak'eny andalana, ka tapaka ny diako

fa be ireo mikiasa, andrava ny antsikaroa
ho sasatra izy ireny, iala maina avokoa
satria ny antsika, dia efa orim-bato
fitiavana mafonja, hery zato isan-jato

ianao malala, ilay tsilo hafa kely
nanindrona ny foko, tsy hanadino velively
ny fitsikinao, izay mitoetra ato am-poko
mamafa alahelo, mandroaka ireo toloko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK
Nampiditra : rapah.alain
Daty : 16/04/2013 12:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104