" 28 MEY... " (Ramy Rabefitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“ 28 MEY…”
(Tsingerintaona nahaterahan’i Lala RABEFITIA )

Mitsingerina indray ny 28 MEY
nahaterahanao !
Tsapako hatr’izao
f’io andro tokana io mbola hafa ihany !
May ery ny foko, dodona aok’izany
hanolotra “Arahaba”. Feno ny hafaliako,
ka na lavitra aza, hoy ny firariako :
“Ho tratry ny ela anie !”


E ! izany lasa… ! ny fientanentako !
Faly ‘zay ts’izy !
Hatramin’ny ankizy
manomanoman-javatra hataony fanomezana
hiarahabana anao. Manjary fiomehezana
ny fibadabadany eo : “Arahaba i Mama ! ”
E ! … tsaroako izany, ka mila tsy ho tana
ny ranomasoko.


Ts’isy angamba mafy toy ny fahatsiarovana
ny lasa nifaliana
ao anati-fahoriana.
Toa manjavozavo ny tanjon’ifaharana !
Nefa na d’izany, raisiko ho hasambarana
io “Fahatsiarovana” io. Hisy any aoriana
“fihaonana” ho anjarako : iniako ampifaliana
ny foko izay torovana.


Tiako hatao an-kira, “tsanta” ho hiraiko
hatramin’ny anio
io “fahatsiarovana” io.
Miloatra avy amin’izany ‘zao firariako ‘zao,
miaraka amim-bavaka, ampombaiko anao :
“Tratràra ny ela indrindra, ary dia soàva”
“ho ampoky ny soa, ho tsara lalandava… !”
“Mamy sombinaiko !”


Ramy RABEFITIA
(1970)
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
2072 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramy Rabefitia
Nampiditra : mimalike
Daty : 15/06/2006 10:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097