Iza ??? (ranaivo ramisarimanana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Torovana ny fo ,
voatraika koa ny saina
fa aloka no sisa
no hany mba ho tantaraina.

Dia ... aiza indray aho izao no mba hirehareha ?!
Eny e, ekeko fa mbola be dia be
Kanefa kosa anie, jereo anie ery e!
Izy no avo indrindra
Ilay lova tsy mifindra
ka nefa dia naetry
natao ambany indrindra.

Eny e, diso aho satria
fantatro fa Malagasy ray, Malagasy reny
no zary nahavita ireny rehetra ireny
Fa mba iza moa izany ?
moa ve tsy izaho ihany ?

Ny saiko angamba no efa diso
tsy te-hahafantatra ny lasa
fa hoe hibanjina ny ampitso
Ka noheveriko ho angano ;
dia nodorako ilay trano.

Sa ... izaho ve no voakarama vola
fa hoe milaza loza ilay antitra tsy mety sola
ka dia voatery nodoroina ?

Na 'ndrao koa ary misy ambadika tokoa
na ireo mpanao politika no tsy mety afa-po ?

Tsia ... tsy mino izany raha izaho
sa ... ahoana hoy ianao ?

Na izaho koa aza anie, io seza io mba mahamaika e
ka na izany aza anefa dia any ve no hiantraika ?

Sao hanendrikendrika aho fa aleo zakaiko samy irery
'ty hazo fijaliana ho ahy, izay mafonja sy mahery

E ! ... indrisy ! indrisy !
Indro ankehitriny, indro fa tanteraka ilay tsy manan-tsiny
no trotraka sy reraka ;
Kila, potika , rava
nandavenona ilay haingo, dia apetrako ho baraingo
IZA ? IZA ? IZA ?
Tsia! 'ngidy sy tsy teliko eto an-tany
raha izaho tokoa mantsy no dia nahavita izany

Ny ràn'ilay rahalahiko angamba no niova volon-tany
na niofaka ny hodiny ka tsy Malagasy intsony
fa nivadika avokoa, na ny sainy na ny fony

Eny e, mivadibadika ny lelako
misavoro ny ati-dohako
fa raha fantatro tsy avelako
na izaho aza hifoterako

Sambasamba aho izao no mba sahy nihantsy tena
ahy irery anefa izany
Fa ho anao, mitonia ry firenena
fa tsy ahafantarana ny marina
Sady ... tsy aleo aloha manarina ?!

Fa ho anao Manjakamiadana
Matoria ! makà aina tsara aloha
fa ianao dia mbola hitsangana
mbola hijoro toy ny teo aloha.
--------
Rohy:
4394 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ranaivo ramisarimanana
Nampiditra : holison
Daty : 29/10/2003 14:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134