Taiza? (ranaivoharijaona rado liantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taiza ianao no nonina?
Ry ilay nivikiviky
Tsy laitra notazonina
Nandalo dia nidify

Nirina ho tinaiza
Ho zaza filalao
Nefa izao dia aiza ?
Vao tonga dia nandao

Nandona varavarana
Dia nampandrosoana
Noheverina ho namana
Hay tonga anao veloma

Ka monina aiza ianao
Ry ilay mpandalo iry?
No tonga dia nandao
Tsy aleo tsy nankaty!!!?
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1430 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa
Nampiditra : proost
Daty : 30/03/2005 10:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01