You are here: home > Vetso

Gasy hono ...! - Ranaivoson Jean de Dieu Onjaheriniaina

Gasy hono ireo mba miteny diso
Nefa toa tsy mahay manavaka ny havia sy ny havanana
Tsy mahay manaratra ny hoe ampitso
Nefa miedonedona hoe Malagasy mangaraharana

     Eny andala-mbe ireo milaza ho Malagasy
     Dia hita fa mampalahelo, toa mangasihasy
     Satria tenin'olona no mba hay
     Tsy Atandroy na Betsileo
     No eo am-bavan'izy ireo
     Fa hay teny vahiny , teny frantsay
                Tsy hay intsony izay lazainy
                Fa toa vary feno vato
                Mirarara ery izy @'izay
                Nef'ireo 'zay mandre
                Manam-pi-tsofina
                Te hiala lavitra
                Fa mahasorena hono !
                Ireo dia milaza hoe gasy hono
                Gasy hoe é ! nefa toa tsy liam-piavanana ?
                Toa tsy mba mifanoro?
                Toa tsy gasy , nefa tena gasy hono
                            ...................

Mombamomba

Mpanoratra : Ranaivoson Jean de Dieu Onjaheriniaina

Nampiditra : ainakelyio
Daty : 27/10/2004
Mpamangy : 1496
Mankafy : 2
Ankafizo

Hevitra mandeha

admin (27/10/2004 12:25:44)

Lasa poeta tampoka mihitsy :-)

ainakelyio (03/11/2004 10:23:23)

Misy tsipelina diso eo @'ilay hoe "Tsy mahay manaratra...", "Tsy mahay manoratra ..." no izy azafady

Hametraka hevitra

Midira aloha