hoavaoziko (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ataoko iray voara ny dinitry ny lasa nodiavintsika hatreto,
Ny amin'tony tononandro fankalazany indray ny toky nisy teto .
Eny na fanaja fa tsisy voka-tsoa izay fitanisana ny lavo tsy azo raofina,
Saingy maro ihany moa reo antemam-piravoana, kanto, mbola mety kaofina .
'Reny rehetra reny sombinaina no nitranga sy nindao akory de tsy maty,
Ary nisy noho ny dina nifamihinantsika teto samy nifambabo anaty .
Koa anio hijery todika hanamafy teny de hifametra indray mandeha,
Fa ny olana hatrizay de fifamolahan-toetra roa zay samy hafa be .
Moa reny lazon'adinao niforitra nandravina ny kirin-dehilahiko,
No nigohana mazàna reo hikam-pandresena fa izaho sy ianao no ahiko .
Ary ito lanin-tendro samy hafa nifandaka fa niraisantsika ho vahana,
No hasandratra eto anio herivelona hijoro hanavao ny fiarahana .
Ny fotoanantsika androany tsy avela hisy malo na andalo fotsiny ihany,
Sanatria raha tanisaina reny lasa mahamay tsy natao hampitomany,
Fa hamerina eto kosa rony volana tanteliny ho an'ny fo te hiara-mita,
Hamelon-tsoratra ao anaty toy ny tany am-piandohana, hanombanana ny vita .
Ka ho marim-panajana ny hevitrao etoana mikenokenona ny hifety,
No hampisonga telo heny reo hery vaika anaty mba hanova reo tsy nety,
Ny ho avy ho banjinina hampibaliaka ndray rony zotram-pahasambarana,
Koa etsy zato molotrao tohofako, mba hibitsihantsika sy ho marim-pisantarana .
Fety ny andro anio rahavako hioby tsika ka hifaly ndeha ho ery amoron-drano,
Ndeha hanao fampitaha ny fidadasiny amin'ny fo sy ny ao anaty zay mangano,
Araka iny redon-kalo raki-kira maminao mateti-dotra no mandeha,
Raha ny halalaky ny foko eny fantatrao kely raha ty ranomasim-be .
Koa meteza enao handrefy ndao hamaritra ny dingana sao tokony efa ho mendrika,
Na tokony ho anio no hanatsikafonako handoarako ho harendrika,
Fohazintsika eny ho fohaziko ny rediko fahiny ka hitalahoko anao : ombao!
Fa ho havaoziko reo dina lay toky velirano " tia anao tanteraka aho" .
R.J.O.
--------
Rohy:
2378 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 30/01/2006 11:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146