Dom-panantenana. (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isika nifandrify... aloka niserana,
Lay topi-maso dify, lanitra nanerana.
Ny làlana tsy hita, ratra vao mihombo,
Ny kopa-tsy tafita, aretina mitombo.
Babo tsy miloaka, apombo mialon'afo,
Ny fitia tsy tafavoaka, trano tsisy tafo,
Kilema tsy sitranina, tombo moana anaty,
Ny mafy nodinganina, raketo ndeha soraty .
Ianao nandao tsy nanam-po, zaka fa tsy lefy,
Ny sendra tsy mba toha, diamondra ratsy tefy,
Fahatsiarovana mangeroka, tsy mandry fa mamàka,
Dita miaro tseroka, mazàna no tsy zaka .
Ny fo tsy manantena, kapoaka tsisy vody,
Ny finiavana mihena,no ilana fanafody,
Tanala lany vatsy, avandra fararano,
Raha tsy nanano ratsy, lavitry ny angano .
Loko analin-kisa, fahendren'ny lay mpahary,
Ny foko lay narisa, ho tojo maso baribary,
Ny aretina nitaiza, hanao mandram-pihaona,
Na eto aho eny n'aiza, manantena foanafoana .
Niavosa ho taona ny ora, tsy nitsaha-niaka-bokatra,
Ny fo nisoko mora, ranomanitra nisokatra,
tsy nijanona namoha, kisoa tanora vanto-dahany,
nirehareha tokoa, raozy dia no nokatsahany .
Nitety lohasaha, masoandro be lohataona,
tsy nanana ahiahy, ny ho fetry zay fotoana,
Dia takariva varimbarina, mihidy vala ao an-tanàna,
Zay rehetra nampakarina, tsy mba nisy ray tamàna .
Nandona de nodomina, akoho ady sahala,
Be no saika efa honina, tsy nisy nahalala,
Mitovy fa tsy mira, haren-tsy hivalamparana,
Laoka tsy ampy sira, tsy ahitana fahasambara .
Raha hiova vazo, kibo iray no nikotrehana,
hiharitra halazo, zatovo-boto ty hatrehana,
Manezaka mitraka, ampaka no atao,
Fa sendra mafy daka, ampanalana tany vao .
Ny antenanin-kanirina, fanorin-tsy sahala,
F'izay mba notifirina, efa zatra miala bala,
Aona iany zany ny eto, samy zaza mila vola,
Mila emboka manento, raha mba te hidola .
Hangina tsy hiteny misodika ny lasa,
Raha ireny vita ireny, ny ho avy ndrao handatsa,
Ny fiainana an-tany, babo hanavotr'aina,
Nanao ambony ambany, mampihoika ny taraina .
Ny aloka niserana, nilaza hian-trano,
Ny ambom-po raha diso toerana, ahitana angano,
Ny fontsika hifangia, lanitra ny tany,
Raha nivoady ny ho doria,mba mandefera ihany .
Ny làlana nodiavina, tsy voatery hahafa-po,
Ny ngidy nahatsiravina, hiandrandrana voka-tsoa,
Miraviravy tànana, aretina fitsabo,
Ny miverin-dàlana, any ambadiky ny adabo .
R.J.O.
--------
Rohy:
2661 0
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 09/05/2007 12:43)
Tiako be misaotra eh!mahareta hatramin ny farany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 03/05/2007 23:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097