Fofombady . (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tanteraka avokoa anio zay rehetra sitrakao,
ny amin'ty minitra kely mandalo hiarahantsika indray,
hiezaka aho androany ny tsy hisian'ny aloka fa ndrao,
ho adinonao fa izao ihany, f'izay ho avy mbola tsy hay .
kaloiko ho anao eto ry lisy lay hirantsika fahizay,
hany sombim-pahatsiarovana, nitomoetra fara-tsiaro,
hitomany ty valiha zay nahatonga antsika ho iray,
mitahiry vetso mamy sy tsiambaratelo maro .
ngononiko reo teny soa lay tokintsika tsy tanteraka,
hatobako ho fara-fefik'ain'ny foko nofenonao tako-pery,
hilazana f'efa nisy fo nitia babonao saingy reraka,
tsy nahantaty lazon'ady sady tsy mba nanan-kery.
vetsoiko moa reo nangidy nahatonga ratram-po,
izay niniana na tsy nahy ka niteraka adin-tsaina,
ary ho hita taratra ireny na sangy ihany na tokoa,
nitondrana ny mafaitra tsy namela ahy hitaraina .
hisy koa sengondra vitsy higohantsika fahasambarana,
hampody aina vetivety ilay fitia tonga fatra,
hanonofy de handao ilay tontolon-kasom-parana,
hisambotra iny volana iny hisambatra eny raha ho tratra .
rehefa efa moa izany ka hary saina izaho sy ianao,
dia ho faranako ny dinika fa hadiva angamba ny andro,
ny tena faniriako miafina tsy anio ihany no hifandao,
fa ny tsy hahita anao intsony eto ambany masoandro .
R.J.O.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 22/07/2005 20:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147