lanitra ny tany (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lay masonao nijery nibanjina ahy naharitra,
nofenoinao hery toa ainga tsy voafaritra,
ny onja tao am-poko no mafy fiantefa,
ka nampangovitra ahy de lasa mba nandefa...
nifanto-bahobahotra,
ny fo no raiki-tahotra...
dia niahotra nangena nandre ny teninao,
nanjary lasam-borona fa tsy aiko izay atao,
ny fidoboky ny fo mahery nefa maina,
no nampisokatra ny vavako, anao aho sombinaina,
niredy am-bakavaka,
kanefa latsa-paka...
adino reo fanao foana ny tontolo,
f'izao rehetra zao toa kina bobongolo,
ianao no nitokiako, ianao no nivavahako,
taminao no nantefa reo mba fangatahako,
tsy aiko mantsy ny nanavaka,
ny vetso ho anao sy ny vavaka...
ny hetahetam-poko zao ny tena fahasambarako,
dia eo anilanao no hatobako hararako,
ny fitiavako ny fiainako reo andro kely sisa,
mba hisambarantsika ilay fiainam-paradisa,
ka hiorona amin'zany;
lay hoe : lanitra ny tany...
R.J.O.
--------
Rohy:
1356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 17/08/2005 19:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141