Misy... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
misy hery fa tsy hita,
volain'ny saina maminany,
hery mora miampita,
raha ianao no sendra izany .

misy tsiky tsy voatana,
voatoraka tsy nahy,
dia nanjary nahatamana,
tonga hehy am-panahy .

misy angola tsy tsaroana,
dia voarindra ho teny mamy,
nody vetsovetso moana,
avy eo nivadika tomany .

misy sento lasan-davitra,
io tadidy reo taloha,
apody hiverina fa tsy avotra,
mekiky mora ny ao am-po .

misy rakitra malala,
tonga diarim-pahatsiarovana,
andalan-tsoratra tsy miala,
andian-teny nahatorovana .

misy vetso tsy voalaza,
notefena sy voavotra,
f'angamba mety tsy ho sahaza,
fa ho famenon'ny any ankoatra .
R.J.O.
--------
Rohy:
Sokajy : malalaka
1245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 22/07/2005 19:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106