tsy azy!... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tonga ny noely,
injay ny anjely kely,
mihoby ny aleloy,
tsy manan-tsiny, poy!
tsy mbola azy ny mitady,
tsy azy ny mifady,
ny fetran'ny azo aleha,
sy ny tsatson'ny atao hoe:
fety mahonena,
na irery manantena.
de ankizy an'alinkisa,
no ndre ravo mitanisa,
zato fetim-pasambarany,
ka kilalao isan-karazany,
no nde hiantsampazany .
moa ry dada sy ry neny ,
mifamihina ambieny,
mibitsika hasambarana,
fa ny tanjona hifaharana,
no he mihanjahanja,
tafondro vonto vanja
miandry fipoahana,
fa tojo fahafahana.
ny azy kosa indrisy,
lay noelin'ny tsy misy,
fetin'hirifiry,
tsy de fahita firy,
fa any ankoatry ny hita,
noely tsy mba mety vita.
fa mandodona isanandro,
tsy andro tsy alina tsy atoandro .
--------
Rohy:
1852 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 10/01/2006 15:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094