Tsy izany... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy ny lalàn'ny fiaraha-monina,
tsy ny didin'ny mompera,
tsy ny tondro molotr'olona,
tsy izany velively...
fa ny eo am-pelan-tànanantsika...

tsy ny bedin'ny lehibe,
tsy ny tahotra baraka,
tsy ozona miantefa,
tsy izany hoy aho anao,
fa ny ao anaty mahatsapa...

tsy ny eso isanandro,
tsy ny lohanao miondrika,
tsy ny famoizam-po,
tsy izany sanatria,
fa ny fiatrehana ady...

tsy ny firavoana idray mitobaka,
tsy ny fety zay mandalo,
tsy ny hambom-pon'ny mpianakavy,
tsy ny hita ety ivelany,
fa ny fo mifankatia...

tsy ny ho hita maso ihany,
tsy izay azo tsapain-tànana,
tsy ny eo ho eo foana,
tsy izay no fahasambarana,
f'izaho sy ianao miara-mita...

tsy voatery hoe ireny,
tsy ny fitsinjovam-boninahitra,
ary tsy ny elanelan-tany,
tsy izany mihitsy fa...
ny fitiavana mahery...

tsy ny fitarafana ny hafa,
tsy ny reha fa mahavita,
tsy ny hitangoronan'olona,
tsy izany sombinaiko...
fa ny fiainana ao aoriana...

tsapanao ve izany,
mba azonao ny tiako ambara ?
meteza ianao ho izaho,
fa tena mafy ny ady ety,
meteza ho tsaraina,
dia tsy hisy 'tsony tsiny.
R.J.O.
--------
Rohy:
1507 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 30/07/2005 16:34)
ny manome tsiny misy foana, f'aza raisina e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 29/07/2005 19:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137