Vetso... ilay lohataona. (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangirifirim-panembonana... zany vetsovetso manina.
Mani-maina am-pijoroana, vonton'orana mialoka,
Tsy hay rombahana ho alaina fa fanala mahamay,
Mangotrakotraka ato am-poko, nandatsa-paka lohataona .
Ngoly am-pitaninana afo, manirery an-kilan-tevana,
Ringiringin'ito ankasom-pasa-poana mila namana.
Mandrevon'ona-tanimanga miboika feno faniriana,
Dia mitorevaka eo am-bodi-hazo-paoman-dreniny fahiny .
Misikidy am-body riana tsy mahatsiaro ny fisiany,
Maitso saina saingy vasoka manantena anefa atambo,
Notoronina hiady ary hiady mba handresy,
Kitron-gidim-pandresena fa fandresena an-tànan-tsaka.
Fa aiza izy no mandalo handrefeko ny tandindony ?
Misonenika an-toerana fa tsimbotry very elatra .
Amindra im-piry mba mitsipaka amoron-dia mba ho aiza ?
Manjoretra am-pisikinana horakoraky ny resy...
Midiridiry am-betso anaty jembin'ito tai-masony,
Savolain'ny sentosento, foana koa reo vovok'aina,
Manenjika aloka hifaharana mitady hafanam-po,
Tohan'aina fa mangeroka mafaitra sy mangidy fara .
Ilay omaly mantsin-doko, tsidim-pahatry ny fasana .
Noviraina handavenona roka sisa entin-driaka,
Tombo-maona tsy hita ratra tsindron'aina tsy aman'ody,
Odi-fatim-paharesen'ny fo, fanahy, naka fy,
Niriaria, nifankatia, fa de indray lohataona.
R.J.O.
--------
Rohy:
1587 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 21/07/2005 23:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121