You are here: home > Vetso

An-tsary - Randriatsitohaina Lameric

An-tsary

Voninkazo miran-dava ny foko,
Mitahiry fitia.
Maro mpankafihy.
Saingy indrisy fa sembanana toloko.

Ianao ry voninkazo haniniry mandramaty
Tsara karakara.
Mirakotra tantara.
Mitahiry ilay fitiavako masiaka tsy ho tanty.

Dia izay ny lazanao ry sary
Alahelo sy fijaliana
Asambarana ny sy fifaliana
Mifangaro ao ny alahelo sy tomany

Fa raozy vita an-tsary sisa
Tsy miova jerena
Tsy hita ho antenaina
Embona, alahelo, sento sy ny sisa.

D zay

Hametraka hevitra

Midira aloha