You are here: home > Vetso

Faka vady - Randriatsitohaina Lameric

         Faka vady

Tsy rendrarendra, tsy haitraitra
Ny fitiavako anao
Fa ny foko matoa taitra.
Tsy haiko. Ny fitiavanao?

Tsy nasiako olana akory.
Izay momba anao tany ho tany.
Fa tonga aho dia nitory
Ny fitiavako avy hatrany.

Ianao koa tsy nihambahamba
Fa avy dia nitsotra
Tsisy hoe : sambasamba
Na hoe antendri-molotra.

Saingy ianao efa manambady.
ary efa manan-janaka.
Fa tena tsotra faka vady.
Tsara tarehy faka taranaka.

Fa izaho koa mba toa anao.
Mba efa manambady.
Fa ny foko babonao
No namitahako an'azy.

D. Zay

Hametraka hevitra

Midira aloha