Ny EVA dia EVA foana. (Randriatsitohaina Lameric)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny EVA dia EVA foana.

Tsy fidiny ahy no nitia anao.
Moa ianao tsy mba nitsotra.
Hoe : efa manambady ianao.
Ka lasa setroka mipololoitra.

Natolotrao ny tananao.
Dia noraisiko avy hatrany.
Tsy haiko akory izay momba anao.
‘Zaho koa moa tsy nanontany.

Ka niaraka teny foana.
‘Zaho nanantena sipa tsotra.
Hay ny Eva dia Eva foana.
Fa ny lainga e, tsy maintsy hipoitra.

Ka izao no lazaiko anao :
Ajanony eto anivon-drano.
Ny momba antsika, izao dia ‘zao.
Na dia samy hanganohano.

D. zay
--------
Rohy:
888 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randriatsitohaina Lameric
Nampiditra : elmerofficiel2019
Daty : 19/03/2019 12:52
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104