You are here: home > Vetso

Soa ihany - Randriatsitohaina Lameric

Soa ihany

Tamin'izany aho  nialany;
nilaozan-tiana, feno tomany.
Tena efa kivy sy efa lao.
Soa ihany fa teo ianao.

Efa namoifo teo amoron-drano.
Niantso fahafatesana sy nanganohano.
resin'ny fitak'izao tontolo izao.
Soa ihany fa mbola teo ianao.

Efa niova tamiko ny lokon'ny fiainana.
Rotaka sy tolona... tsy nisy nitarainana.
Fa velom-panantenana indray aho;
rehefa tonga teo ianao.

Niova loko indray ilay fiainako.
Mazava ny lalana, mifoha ny marainako.
Mamirapiratra, feno tsiky lava izao.
Rehefa tonga teo ianao.







Hametraka hevitra

Midira aloha