You are here: home > Vetso

Tsy tamana - Randriatsitohaina Lameric

Azo vakiana?

Tsy tamana

Raha nandinika aho
Dia tsapako avy hatrany
Fa amin'izao fotoana izao
Raha maty aho tsy misy mpitomany

Tsy hilaiko anefa izany
Fa alala ambany tany
Dia ny tiako ho renao androany
Raha maty aho ianao tsy tiako hitomany

Raha maty aho ataovy hoe : "mamy."
Fa ny vatako aleveno ambany.
Fifaliana fa tsy fahoriana izany.
Ny fanahiko ho any an-danitra any.

Izaho tsy atao hoe : " Maty."
Fa lazaina hoe :" Tsy tamana."
Raha havadika aho tsy mahatanty.
Fa mampiova mari-pana.

Tsy mila voninkazo;
Rehefa tsy tamana.
Fa ny fakan-kazo;
Haniry tsy ho tana.

Iny rahona iny;
No lalana ho lalovako.
Hampiray ireo vahiny
Fa ho mirana ny tavako.

D. zay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Randriatsitohaina Lameric


Nampiditra : elmerofficiel2019
Daty : 25/03/2019
Mpamangy : 363
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Soa ihany
Tiako izy
KAMBOTY
An-tsary
Fitiavako masiaka
Faka vady
Ny EVA dia EVA foana.