segondram-pahasambarana (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Segondram-pahasambarana

Ny kotaba harivarivan'
Ny tontolo zary ritsoka milanto
Narahin'ny feokira ivaivan'
Ireo angely misioka anaty kanto,
Raha iny ka nitohoka ny molotsika roa
Adino ny tety fa nijotso moramora
Ho any amin'ny tontolon'ny ambiroa
Hanakatra ny lanitra anaty sombitsombin'ora.

Kanefa oroka tsy tana
Tsy nisy tanjona ifaharana
Mba fitiavam-pitsapana
Fa tsy isongona laharana.
Mantsy kosa izay haterany
Dia ho sitrako avokoa
Na ny tontoloko ho ferany
Tsy hisopatra ny fitiavany taloha.

Raha ny marimarina
Ka jerena ny fahiny
Dia toa tsapa nangalarina
Iny Segondram-pahasambarana iny.

Nefa kosa tato afara
Tonga sarotra adinoina
Lasa izy ilay anjara
Izay sarotra hinoana,
Noho ny segondra iray tsy diso
Tanaty maripana mamy
Hitondra ny fiainanay ampitso
Ho tinefy lavitra tomany.

Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1171 2
Mpakafy: fetra.emo - sentomalala
Hevitra mandeha
fetra.emo ( 17/01/2017 17:29)
lalina izany!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014